Fahasalamana

Vohibato Fianarantsoa Mpirahavavy ahiana ho matin’ny pesta


  • Zoma 30 Oktobra 2020

Mpirahavavy iraitampo nonina tao amin’ny Fokontany Ampisaonana, distrikan’i Vohibato Fianarantsoa manakaiky ny tandavan’ala no indray namoy ny ainy ny 09 septambra lasa teo.

 

 

 

 Raha araka ny feo mandeha dia ahiana ho pesta no nahafaty azy mirahavavy ireto. Akaiky voalavo mantsy ilay tanana. Tara loatra anefa vao tonga saina nitondra azy ireo tany amin’ny CSB II ny fokonolona ka fotoana fohy taorian’izay dia namoy ny ainy izy ireo. Ankoatra izay dia olona 3 mianaka ihany koa no nifanesy narary tahaka azy mirahavavy ireto tao amin’ny Fokontany Antarandolo ny 23 sy 24 septambra lasa teo. Na izany aza anefa dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireto farany. Tsy hipetra-potsiny anefa ireo tompon’andraikitra any an-toerana fa hidina ifotony ao amin’ilay tanana nisy azy mirahavavy namoy ny ainy ireo hisambotra voalavo hanamarinana marina raha tena pesta tokoa no nahafaty azy ireo na tsia. Mialoha izany anefa dia efa nomena fanafody iarovana amin’ny pesta avokoa ireo olona nifandray taminy sy ny fianakavian’ireo marary hafa. Efa nofendrahina ranom-panafody ihany koa ny tanana mba tsy hiitaran’ny aretina.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT