Voapoizina teny Ambohimalaza

Lasa natao EVASAN i Rahamefy Tojomanana


  • Talata 09 Septambra 2025

Lasa natao EVASAN na «Evacuation sanitaire»,

izany hoe nahazo fitsaboana any ivelany, any Maorisy omaly tolakandro i Rahamefy Tojomanana, isan'ireo voapoizina teny Ambohimalaza, raha ny fampitàm-baovao voaray. Sitrana efa nody tany an-tranony fa niverina narary indray izy. Omaly tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro no niainga teo Ivato izy sy ny mpitsabo iray izay nanara-maso ny fahasalamany hatramin'izay ary ny infirmiera iray. Mahazaka tsara ny fandehanana fiaramanidina izy, araka ny fizahana natao mialoha. Voalaza fa ny filoham-pirenena mivady no mandray an-tanana ny fiantohana an'i Tojo any Maorisy. Tahaka izany koa ny fanaraha-maso ny fitsaboana ireo 7 mianadahy eto an-toerana, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray. Isan’ny fanontaniana mipetraka etsy ankilan’izay ny hoe fa maninona no izy irery?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT