Fahasalamana

Village Voara Andohatapenaka Ny 10%-n’ireo nanao fitiliana no voan’ny Covid 19


  • Alatsinainy 01 Febroary 2021

Tafakatra 1.196 ireo olona tonga nanao fitiliana teny amin’ny CTC 19 Village

 

 

 

Voara Andohatapenaka nanomboka ny 16 janoary lasa teo. Ny 999 tamin’ireo no nandalo fitiliana raha araka ny fanadihadiana natao ka ny 10% no fantatra fa mitondra ny tsimok’aretina Covid 19. Raha araka ny fantatra hatrany dia ireo olona mahatsiaro ny toe-batany ho hafahafa avy nandalo teny anivon’ny CSB II….ny ankamaroan’izy ireo izay efa mahatratra 100 isan’andro. Nomarihin’ireo dokotera miasa ao an-toerana moa fa any amin’ny CSB II ihany no tokony hanatona voalohany aloha ny marary ka ireo dokotera eny anivon’ireo toeram-pitsaboana ireny indray no mandefa azy ireny manao fitiliana raha toa ka ilaina izany. Mandray ny olon-drehetra izy ireo ary misokatra 7 andro amin’ny 7 andro izany hoe : miasa isan’andro tsy misy fitsaharany. Raha araka ny fanazavan’ireo olona sasany nanaovana fanadihadiana moa dia miseho amin’ny endriny to any tazo ihany ny Covid 19. Misy ireo reraka no sady tsy mahatsiaro hafanana mihitsy ankoatra ireo tratry ny aretin-kibo ihany koa.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT