VIH

SIDA SY NY MPOX


  • Alakamisy 20 Aogositra 2026

hanaovana fanentanana ireo oniversite 6

Tafiditra ao anatin'ireo areti-mandoza roa tena atahorana eto amintsika ary hanaovana fanentanana tsy miato ny mpiara-belona ny ady amin'ny VIH/SIDA sy ny nendran-drajako na ny MPOX. Ho an'itsy voalohany raha tsiahivina dia mahatratra 90.000 isa ireo olona fantatra fa mitondra io tsimok'aretina io manerana ny Nosy ka ny 30% no olon-dehibe raha ankizy kosa ny 16%. Ho an'ny aretina MPOX indray dia miisa 22 hatreto ireo efa namoy ny ainy raha 5.054 ny tranga hita ka ny 3. 332 no voamarina. Ny 2.348 tamin'izy ireo kosa no efa sitrana soa amantsara. Mba hitazomana ireo isa ireo tsy hitombo sy tsy hampihanaka ny aretina dia manatanteraka hetsika sosialy tsotra manatona ny vahoaka ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, miaraka amin'ny fanohanan'ny Governemanta Amerikana amin'ny alalan'ny tetikasa STRIDES. Fitiliana maimaim-poana ny tsimok'aretina VIH/SIDA no hatao amin'izany arahin'ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny MPOX. Teny amin'ny sekoly ambony politeknika Vontovorona no nanaovana izany izay nifarana omaly Alarobia 19 Aogositra rehefa naharitra 2 andro. Am-polony ireo tonga namaly ny antso. Ho an'ireo nanana olana manokana tamin'ny fanaovana fitiliana dia nambaran'ireo mpitsabo nanao izany fa mijanona ho tsiambarantelo ny valiny fa tsy misy atahorana. Tanjona ny hiarovana ny fahasalaman'ny tsirairay sy hampihenana ny fiparitahan'ny aretina eny anivon'ny fiaraha-monina indrindra ho an'ny tanora sy ny mpianatra. Hitohy eny anivon'ireo Oniversite manerana ny Faritany enina (6) eto Madagasikara ny hetsika ho fanitarana ny ady amin'ny Mpox sy hanamafisana ny fisorohana amin'ireo toerana be olona mivezivezy toy ny anjery manontolo.
Pati
Légende : Sady nandeha ny fanentanana ny olona teto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT