VIH SIDA mirongatra

“Lasa tanora be ny taranantsika


  • Alarobia 06 Desambra 2023

miditra amin’ny firaisana ara-nofo”

Na samy valanaretina na “virus” aza ny VIH sy ny gripa dia samihafa ny fomba fidirany ao anatin’ny vatana sy ny fiantraikan’izany anatin’ny vatana, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Fidy Bariniaina. Miditra amin’ny orona sy vava ny gripa, hoy izy. Matetika amin’ny alalan’ny piti-drora sy rehokin’ny marary no fidirany. Amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo na fitaovana mampisy rà kosa no ifindran’ny VIH. Tonga ny VIH dia mamono ny sela mamorona hery fiarovana ho antsika. Vonoiny tsikelikely ireo sela ireo dia lasa tsy manana hery fiarovana intsony ny olona dia lasa mora manavy, mikohaka, marefo. Maromaro no antony mampirongatra ny VIH ankehitriny. Tsy avy dia marary ny olona voany. Mbola miasa, mianatra sy ny toy izany iny olona iny. Tafaraka amin’ny olona maromaro koa dia ifindrany daholo ireo olona maromaro ireo. Faharoa, lasa tanora be ny taranantsika miditra amin’ny firaisana ara-nofo. Mirongatra be koa ny fitotongan’ny toe-piainan’ny olona. Mety mamonjy alim-pandihizana eo dia izay olona miaraka aminy eo tonga dia miray aminy any. Tsy ampy fahalalana mikasika ny fomba hiarovany ny vatany ny tanora. Mitombo koa nefa ny fahafahan’ny olona mifandray amin’ireto tekinolojia isan-karazany toy ny Facebook, Whatsapp, finday sy ny marobe ireto. Na olona tsy mifankafantatra aza eo amin’ny Facebook dia efa mifanao fotoana dia lasa miaraka. Lasa malalaka kokoa ny fifandraisan’ny olona dia malalaka kokoa ny firaisana ara-nofo. Ny firongatry ny fisotroan-toaka sy fidorohana zava-mahadomelina koa moa eo dia izany rehetra izany no lasa mampirongatra ilay VIH SIDA, hoy hatrany ity mpitsabo ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT