Madagasikara dia anisan` ireo firenena manana ny ny tahan'ny fihanaky (taux de prévalence) ny VIH / SIDA ambanin` ny 1% amin`ireo mponina amin`ny ankapobeany (0,3%).
Na dia izany, misy ny fikarohana natao ka mampiahiahy momba ny mponina sasany indrindra ho an`ireo mpivaro-tena sy ireo lehilahy izay manao firaisana amin'ny lehilahy (MSM). Ho an` ity farany dia io taha io dia efa mananika ny 15%. Raha ny tatitra farany dia olona miisa 600 eo no mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA eto Boeny raha ny fanisana farany. Somary nangina ny fanentanana tato ho ato satria naompana any amin’ny fitsaboana ireo marary ny ampahany betsaka amin’ny teti-bola. Hisy ny hetsika hatao ao Mahajanga ato ho ato ka hiroso amin`ny fitetezana ireo tobim-pahasalamana mandritra ny roa andro, hijery ny fanatanterahana eny ifotony ny ady amin’ny VIH/SIDA. Hanao atrik’asa roa andro aorian’izay, handrefesana ny asa vita sy hamaritana ny ezaka ho tratrarina ho an’ny manaraka. Raha tsiahivina dia araka ny tatitra nataon` ny SE/CNLS ny taona 2019, olona 4.406 no voatily, ary fantatra fa mitondra izany tsimokaretina izany manerana ny nosy. Vinavinaina ho 35.000 kosa ireo olona ahiana ho marary nefa mbola tsy voatily.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.