VIH miparitaka

“Efa mifindra amin’ny alalan’ny fofonaina”


  • Talata 17 Oktobra 2023

Efa niteny aho, hoy ny mpikaroka Zaranaina Christian, tamin’ny fotoana nivoahan’ilay Corona farany teo.

Ilay SARS-COV-2 teo, hoy izy. Zava-doza, hoy aho, raha mifangaro ny “gène” na taharo entin’ny Corona sy VIH satria hanomboka hiseho amin’izay ny hoe VIH mifindra tsy amina firaisana ara-nofo na amin’ny ra fa amin’ny alalan’ny fofon’aina sy fifampikasohana fotsiny. Io fa miseho ilay izy. Lasa tafatambatra izany ny “gène” mitondra ny Corona sy VIH dia lasa mifindra amin’ny fomba tsotra dia tsotra ny VIH ary lasa loza mahatsiravina. Efa tamin’ny herintaona aho no niteny fa tandindonin-doza i Madagasikara ary tsy eto irery io fa manerana izao tontolo izao. Iarahantsika mahita any Eoropa izao fa mivady indray ny otrikaretina na “virus” amin’ny gripa sy Corona. Amin’ny alalan’ny gripa indray izany no ipoiran’ny Corona. Raha taizan’aretina ilay olona dia misoavaly izay aretina izay fotsiny ireo dia mety hiteraka fahafatesana mihitsy. Efa ela no nilazanay fa “blocage de mutation” na fanakanana ny fifindran’ny valanaretina ihany no vahaolana amin’io. Tsy misy mihaino moa ny tena. Raha vao tsy manohana ny fitondram-panjakana dia zava-poana ny zavatra ohatran’ireny. Mbola miantso ihany aho hoe andao re jerena fa ho zava-doza izy ity. Aleo miazakazaka amin’ny fitsaboana raha sanatria hafahafa fa aretina tokony tsy haha menatra intsony io. Na any ivelany aza efa miparitaka izany VIH izany ary azo sitranina tsara. Efa miverina ny andrana azo hanaporofoana izany, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT