VIDIM-PANAFODY ENY AMIN’NY FARMASIA

Nahitana fiakarany hatrany amin’ny 20%


  • Alarobia 03 Jolay 2024

Ankoatra ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro dia tsy mitsaha-miakatra

ny vidin’ireo fanafody eny amin’ny toeram-pivarotana izany. Tafakatra hatrany amin’ny 20% mihitsy io fiakarana io ka anisan’ny voakasik’izany ny fanafody ilain’ireo olona tratry ny fiakaran’ny tosi-dra. Raha namidy 124 100 Ar izany teo aloha dia efa hamidy 149 500 Ar ankehitriny, raha ny nambaran'ny tompon’andraikitra eny anivon’ny toeram-pivarotam-panafody iray eto an-drenivohitra. Tato anatin’ny tapa-bolana izao no tena nahitana taratra izany hoy hatrany izy.Noho ny fahalafosan'ny saram-pitaterana ireo fanafody avy any ivelany, indrindra ho an'ireo izay entina amin'ny fiaramanidina moa no anton'izao fiakaran'ny vidim-panafody izao raha ny fanazavana. Very fanahy mbola velona araka izany ny ankamaroan’ny mpanjifa. Tsy maintsy hiandry ihany mantsy rafahafatesana indrindra fa ho an’ireo tsy manana prise en charge.
Pati
Legende : Miaka-bidy avokoa ny fanafody sary fanehoana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT