Fahasalamana

Vehivavy voan’ny pesta Nijoro vavolombelona i Mamitiana F


  • Talata 21 Novambra 2017

Tovovavy iray antsoina hoe Mamitiana Francelia avy any ambanivohitr’i Toamasina no sahy nijoro vavolombelona momba ny niainany ny aretina pesta satria niharany izy.

 Tanjony ny handresy lahatra ny mpiara-monina fa azo tsaboina tsara ny pesta, ary tsy maintsy sitrana raha toa ka tsy tara ny fanatonana toeram-pitsaboana. Maro ny tsaho, ka ny hanitsy ny fiheveran-diso no tena antony nijoroany vavolombelona. Tovovavy tsy mbola manambady izy sady kamboty, ka noho ny olana teo amin'ny fivelomana, dia niakatra tao Toamasina hitady asa fa ny zandriny kosa nijanona any amin'ny toerana niaviany. Asa an-trano no nataony tamin'ny tokantrano iray. Iray volana lasa anefa izay dia voamarina fa voan'ny  pesta ny olona nifanolo-bodirindrina taminy tao Andranomadio Toamasina. Tsy ela taorian'izay dia nahatsiaro tsy tomombana koa ny fahasalamany satria sempotra be sady niha niakatra ny hafanan'ny hodiny. Tsy tao an’eritreriny izany ho any amin'ny toeram-pitsaboana sady nanjaka tao anatiny koa ny tsaho efa niely tao Toamasina momba ny pesta. Ilay voan'ny pesta teo akaikin'ny tranony kosa, dia efa nahalala ny mikasika io aretina io ka nanapa-kevitra ho any amin'ny hopitaly sady nitaona an'i Mamitiana ihany koa, ary dia nandeha tsy sazoka izy. Voamarina fa voan’ny pesta izy, saingy tsy araka ny tsaho izay niely ny zavatra niseho tao amin'ny Hopitaly be tao Toamasina satria voakarakara tsara ny tenany. Tsy maintsy manaraka tsara ny fepetra tenenin'ny dokotera. Tsy azo notsidihana izy nandritra ny fitsaboana, ka 7 andro no nijanonany tao amin'ny hopitaly. 30 mahery ny tsindrona natao taminy izay atao isaky ny adiny telo. Nilaza izy fa maimaimpoana ny fanafody rehetra natao taminy, anisany ireo tsindrona. Ny sakafo no novidiana, araka ny nambarany ihany. Nivoaka ny hopitaly i Mamitiana Francelia afaka 7 andro rehefa voamarina fa sitrana soa aman-tsara . Nafonja ny hafatra napetrany ho an'ny mpiara-belona, ka nanamarinany, fa misy ny pesta rehefa manjaka ny loto sy ny voalavo, ary tsy mifidy saranga io. Tsy misy atahorana ny any amin'ny toeram-pitsaboana fa tsy maintsy sitrana rehefa mahavita ny fitsaboana araka ny tokony, hoy izy. Manodidina ny 200 no voan'ny pesta nanaraka fitsaboana niaraka tamin'i Mamitiana nandritra ny nijanonany tao amin'ny Hopitaly. Nisy tamin'ireo narary notsaboina kosa no nandositra ka tsy tomponandraikitra tamin'izy ireny intsony ny Dokotera.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT