Fahasalamana

Vehivavy voan’ny aretina mamany lava 50.000 mahery no mbola mila fandidiana


  • Alarobia 24 Mey 2017

Mahatratra 5.000 hatramin’ny100.000 isan-taona amin’izao fotoana izao ireo vehivavy lasibatry ny aretina mamany lava maneran-tany.

 

Ny 50.000 amin’ireo no eto Madagasikara raha miisa 2.500 ireo efa vita fandidiana. Handray anjara mavitrika amin’ny fanentanana ireo vehivavy lasibatr’ity aretina iray ity nefa  menatra ka tsy sahy manatona tobim-pahasalamana ny Airtel Madagascar. Hiarahany amin’ny UNFPA izany, hetsika izay tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehan’izy ireo amin’ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka eto amintsika. Hisy mandritra izany ny  fampahafantaran’izy ireo ny fitrangan’ny aretina, ny antony mahatonga izany ary koa ny vokany sy ny fitsaboana tokony arahina. Raha araka ny fantatra tokoa mantsy dia vehivavy miisa 4.000 15 ka hatramin’ny 49 taona no lasibatr’ity aretina ity isan-taona. Ny fisorohana ny aretina ihany, araka izany, no hany vahaolana mahomby na dia efa nisy teto amintsika aza ny fandraisana an-tanana ireo marary nanomboka tamin’ny taona 2003. Anisan’izany ny fampiasana ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana hisorohana ny voka aloha loatra ho an’ireo tsy ampy taona. Hopitaly miisa 12 no efa afaka mandidy ireo vehivavy mararin’ny aretina mamany lava eto amintsika ka ny valo amin’izy ireo  dia hopitalim-panjakana avokoa. Maimaimpoana ny fandidiana, fiaraha-miombon’antoka hiarahan’ny vadin’ny filoham-pirenena, ny Airtel Madagascar, ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, ny UNFPA, ny PAM, ny BIT, ny ONG ASOS…Nomarihina omaly alarobia 23 mey ny andro manerantany iadiana amin’ny aretina mamany lava.

Pati


.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

KandidĂ  miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT