Fahasalamana

Vehivavy tratry ny aretina mamany lava Didiana maimaimpoana hatramin’ny faran’ny volana


  • Alarobia 19 Oktobra 2022

Raisina an-tanana manokana ireo vehivavy tratry ny aretina mamany lava vokatry ny ny fahasarotam- piterahana eto amintsika nanomboka afak’omaly alatsinainy 17 oktobra.

Haharitra 11 andro izany ka ankoatra ny fijerena manokana ny isam-batan’olona dia hisitraka fandidiana maimaimpoana ao amin'ny Pavillon Sainte Fleur Ampefiloha izy ireo, hetsika hiarahana amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Maimaim-poana miaraka amin’izany avokoa ny fanafody handidiana, ny sakafon'ireo marary sy ny mpanaraka iray ary ny fitaterana azy ireo mandeha mody mamonjy ny tokatranony. Anisan’ny mifandrimboka manatanteraka izao hetsika izao moa ny UNFPA Madagascar , ny Opération Fistula , ny Pavillon Sainte Fleur ary ireo mpiasan'ny fahasalamana maro izay miezaka mifanome tanana sy mifampizara ho fanampiana ireo vehivavy tratra ity aretina iray ity. Tsy mahatsiaro ho poritra intsony moa fa mandeha ho azy ny fivalanan-dranon’ireo vehivavy tratry ny aretina mamany lava raha tsiahivina. Hahilikiliky ny vadiny sy ny fianakaviany izy ireo vokatr’izany ka tsy vitsy ireo mitady hamoy fo mihitsy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT