Fahasalamana

Vehivavy maty niteraka tao Befelatanana Voasaringotra ireo mpianatra ho dokotera 4


  • Talata 04 Aprily 2017

Niakatra Fitsarana omaly tetsy amin’ny tribonaly Anosy ilay raharaha nahafatesana vehivavy bevohoka tao amin’ny hopitaly Befelatanana, roa volana lasa izay.

Tafiditra hatramin’ireo mpianatra efatra mianadahy eny anivon’ny fakiloten’ny Fitsaboana eny amin’ny anjerimanontolo (FACMED) izay mbola mpiana-draharaha, dokotera mpandidy ny iray, niampy telo hafa. Tonga nanohana azy ireo ny  mpiara-mianatra aminy marobe. Tsy nitory ireo mpianatra ireo anefa ny fianakavian’ny maty fa ilay mpampivelona sy ilay dokotera no notoriany. Nametra-panontaniana ny antony mety ho nahatonga izany ireo mpianatra eo anivon’ny FACMED. Ankoatra izay, mangataka ny mba hijeren’ny fitondram-panjakana ny mahakasika ny fahasalamam-bahoaka eto amintsika ihany koa izy ireo. Misy amin’ireo marary na mpiteraka eto amintsika mantsy no tsy afaka mividy akory na dia fanafody hampiasaina amin’ny fitsaboana azy aza nefa tsy maintsy mandalo fandidiana ka izay no antony mahatara ny fandraisana an-tanana azy ireny … Ho an’ny mpisolovava Willy Razafinjatovo kosa izay mpiaro ny fianakavian’ny maty dia nambarany fa dimy taona raha kely indrindra no sazy miandry ny olona iray lasibatra amin’ity  raharaha ity satria resaka vono olona ilay izy. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT