Hamondron-kery ny Fondation Akbaraly sy ny Jejoo
“Ambony dia ambony ny tahan’ny fiaboana na “taux de positivité”
ho an’ny homamiadana eto Madagasikara satria 14% ireo natao fitiliana no voamarina fa voan’ny homamiadana. Ambony tokoa izany raha mihoatra ny tahan’ny fiaboana ho an’ny homamiadana maneran-tany. Hita koa anefa fa tanora dia tanora ny Malagasy voan’ireo homamiadana mpahazo ny vehivavy ireo satria 25 taona eo ny salan-taona” hoy Dr Francesco Cimino, talen’ny Fondation Akbaraly. Efa 8 taona niasana ity fikambanana ity teto Madagasikara ka vehivavy miisa 100 000 eo no vita fitiliana homamiadan’ny nono sy vozon-ny tranon-jaza hatreto. Nandritra izay fotoana izay anefa dia tsapa fa tsy mahafantatra ny lanjan’ny fanaovana fitiliana mialoha ny vehivavy eto Madagasikara. Nambarany fa tsy fantatr’izy ireo fa manamora kokoa ny fitsaboana ny aretina ny fanaovana “depistage” ary izay indrindra no antony nahabetsaka ny taham-pahafatesana vokatry ny homamiadana eto amintsika, hoy hatrany ny fanazavany. “Tsy ao anatin’ny eritreritry ny vehivavy eto Madagasikara mihitsy ny hanatona mpitsabo raha mbola tsy mahatsiaro marary izy. Efa azo lazaina hoe mandroso be anefa ny aretina raha toa ka misy fambara miseho”. Marihana fa 90% ireo 14% voatily ireo no avotra satria voatily mialoha ny aretina. Ny fitiliana irery ihany anefa no hany fomba fisorohana ny homamiadana satria rehefa voatily mialoha izany dia azo tsaboina tsara. Raha tsy voatily mialoha ny aretina dia mety efa hihombo be vao hita ka ho sarotra kokoa ny mitsabo azy. Ny fisorohana sy fitiliana mialoha ny homamiadana, araka izany, dia ahafahana mitsabo sy manasitrana vehivavy maro. Tsara no manamarika fa ny Fondation Akbaraly dia miantsehatra amina tetikasa samihafa toy ny resaka tsifanjarian-tsakafo eo amin’ny reny sy ny zaza. Notsiahivin` ny Dr Francesco Cimino fa anisan’ny antony mahatonga ny vehivavy maro ho faty eo am-piterahana ny olana vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo.
HETSIKA FANENTANANA MAHERY VAIKA
Hiara-kiasa manomboka izao ny Fondation Akbaraly sy ny Jejoo ka hiompana amin’ny fanentanana ny vehivavy handray an-tanana ny fahasalamany ny fiaraha-miasa. Ny Jejoo dia gazety natao ho an’ny vehivavy. Isan’ny zava-dehibe ho an’ny vehivavy ny fahasalamany sy ny fahasalaman’ny zanany. Izany indrindra no nahatonga ny Jejoo nifandray tanana tamin’ny Fondation Akbaraly satria nitovy ny tanjona ao anatin’ny fanentanana ny vehivavy hijery ny fahasalamany sy ny hikolokolo ny ankohonany, mba hahafahan’izy ireo misitraka fahasalamana araka ny tokony ho izy sy sahaza azy, hoy Lala Tiana Ramalanjaona, tonian-dahatsoratry ny Gazety Jejoo. “Tena ilaina ny manentana sy mampahafantatra ny vehivavy mahakasika ny lanjan’ny fanaovana fitiliana mialoha. Anisan’ny fomba ahafahana mitarika ny vehivavy hanao fitiliana ny fampahafantarana azy ireo ny tsara ho fantatra rehetra momba ny aretina na ny tokony hatao”. Araka izany, ny Fondation Akbaraly dia handray an-tanana ireo asa sosialy sy ara-pahasalamana ary ny Jejoo manomboka izao dia hisahana manontolo ny serasera mahakasika ny Fondation Akbaraly. Tanjona ny hahafahana mamonjy ireo vehivavy Malagasy indrindra ireo tsy manana fahafahana manatona ireny toeram-pitsaboana ireny. Tontosa omaly tetsy amin’ny Pho Resto Ampasamadinika ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.