VEHIVAVY MANAO FANABEAZANA AIZANA

Tafakatra 65% tato anatin’ny 2 taona


  • Alakamisy 16 Mey 2024

Tafakatra 65% ny tahan’ireo tanora tovovavy sy vehivavy manao fanabeazana aizana eto amintsika

tato anatin’ny roa taona. Ankoatra ny pilina dia anisan’ny be mpisafidy ihany koa ny tsindrona indrindra fa ho an’ireo somary be fanadinoana. Hitohy hatrany araka izany ny fanentanana sy ny fanabeazana hataon’ny FISA na ny Fianakaviana Sambatra indrindra ao anatin’izao fankalazan’izy ireo ny herinandro natokana ho azy izao. Nanomboka ny 13 May lasa teo izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny Zoma 17 May. Misy ireo karazana tolotra maimaim-poana omena ireo tanora tonga manatona ao amin’ny FISA Ambatomitsangana sy ny Centre des jeunes FISA Andoharanofotsy. Anisan’ireny ny fandrindram-piterahana , ny fisafoana, ny fitiliana VIH/Sida,ny fitiliana ny homamiadan'ny vozon’ny tranon-jaza sy sy nono…Ho an’ny taona 2023 manokana moa dia fantatra fa ny 44%-n’ireo olona tonga nizahana fahasalamana tao amin’izy ireo no resy lahatra fa hampiasa ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana ka ny 52% an’izy ireo dia tanora latsaky ny 22 taona avokoa.
Pati
Legende : Tanora ny ankamaroan’ireo nanaovana fanentanana teto !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT