Fahasalamana

Vehivavy bevohoka Zava-dehibe ny fanaovana ekografia


  • Zoma 11 Martsa 2022

Tena manan-danja eo amin’ny fiainan’ny vehivavy bevohoka ny fanaovana ekografia na ny fitarafana ankoatra ireo marary tsotra.

Amin’ny alalan’iny ekografia iny mantsy raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina no hahafantarana fa tena zaza ilay mipetraka ao an-kibo na fikorontanana fotsiny ihany na koa kista raha vantany vao tsy mandeha ny fadim-bolan’ny vehivavy iray. Rehefa ho teraka indray ny vehivavy iray hoy hatrany izy dia amin’ny alalan’ny ekografia ihany koa ny hahafantarana raha salama tsara no sady mitombo ilay zaza ao an-kibo nefa hita avy hatrany ihany koa raha sanatria misy olana. Anisan’ireny ohatra ny filoloavany ahitra izay tsy maintsy mandalo fandidiana ilay Reniny. Toraka izany koa ireo zaza be lohabe, ny zaza ngeza loatra izany hoe : 5 kg no miakatra… Ho an’ireo te-hahafantarana ny mahalahy na mahavavy ny zaza iray indray mba hahafahana mividy ny fitafiany dia fantatra fa eo anelanelan’ny fahadimy na fahaenim-bolan’ny kibo no hahafantarana izany. Antony tsy hahitana ny mahalahy na mahavavy ilay zaza kosa raha araka ny fanazavan’ny dokotera hatrany ny halehibiazany ka hanakombonany ilay feny. Amin’ny ankapobeny moa dia in-telo mandrapahateraka no tokony manao ekografia ny vehivavy bevohoka iray raha isam-bolana mihitsy no tokony ho izy. Tsiahivina moa fa mampihena ny taham-pahafatesan’ny Reny sy ny zaza eo am-piterahana ny fanaovana ekografia. Manomboka amin’ny 20.000 Ar ny manao azy ireny amin’izao ka hatramin’ny 40.000 Ar miankina amin’ilay toeram-pitsaboana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT