Fahasalamana

Vehivavy ahiana ho matin’ny Covid-19 Mbola andrasana ny valin’ny fitiliana


  • Zoma 08 Mey 2020

Ny mpamilin’ilay zotram-pitaterana Cotisse niainga tamin’ny 8 aprily no voamarina fa tratry ny coronavirus.

 

 

 

 

 

Notadiavina ireo olona tao anaty fiara, izay nisy 11 nanaovana antso avo. Isan’izany Rtoa Raheliseheno Samueline. Natao TDR (Test de Diagnostique Rapide) ka “negatif” ny valiny. Tsy tena manome valiny azo antoka na “fiable” ny TDR, fa ny PCR ihany, hoy ny Jeneraly Elack Olivier Andriankaja, Mpandrindra ankampoben’ny CCO Covid-19. Maty teto Analamanga ilay ramatoa ny 5 mey teo. Efa natao ny “prélèvement” izany hoe nakana singa hanaovana fitiliana, ka mbola andrasana ny valiny eny amin’ny Institut Pasteur de Madagascar na IPM, mety anio na rahampitso ahitana ny valiny na matin’ny coronavirus na tsia, hoy ny Jeneraly Elack Olivier omaly. Nilaza ny mpitsabo fa misy fiahiana ihany tamin’ny fisefoana nialohan’ny nahafaty azy. Ohatran’ny manamafy foana ilay fampitandremana apetraka amintsika mianankavy ihany, hoy io Tompon’andraikitra ambony io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT