Fahasalamana

Vatomandry Handalo fandidiana ilay zaza menavava tsy misy lava-body


  • Alakamisy 15 Jona 2023

Zaza menavava iray vao teraka no fantatra fa tsy nisy lava-body avy any am-bohoka tany Ambodivotaka, distrikan’i Vatomandry.

Tsy nandry ny sain’ireo ekipan'ny Fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka Atsinanana fa nitady izay toerana nisy io zaza io sy ny Ray aman-dReniny. Ny alin’ny 13 Jona teo no hita soa aman-tsara io zaza io ka nentina avy hatrany tany Vatomandry handeha hamonjy ny CHU Analankininina Toamasina. Efa nahazo ny "premièrs soins" tao amin'ny CHRD Vatomandry moa ity zaza ity mialohan’ izao nandehanany izao ka nisitraka ny "fonds d'urgence". Hitohy amin’ny fikarakarana sy ny fandidiana azy ireo dokotera manam-pahaizana mifandraika amin’izany amin’ity herinandro ity mba hahazoan’io zaza io fahasalamana ara-dalàna. Hatreto moa dia mbola ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka Atsinanana no mandray an-tanana azy io. Tafiditra ao anatin’ny tsy fahatomombanan’ny fiharian’ny zaza ao am-bohoka moa ny tranga tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zaza menavava efa raisin’ny mpitsabo an-tanana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT