VATAN’OLOMBELONA

Mila diovina matetika hisorohana ny aretina tsy hihanaka


  • Talata 05 Martsa 2024

Toy ny zavatra rehetra dia mila kolokoloina ihany koa io vatantsika

io mba hahazoana fahasalamana. Diovina ihany koa ny taova sy ny ra mba tsy hitambatra ireo loto ao anatiny ka hiteraka aretina marobe. Tsy mijanona amin’ny resaka fanaovana fanatanjahantena izany fa ilaina mihitsy ny manao detox raha araka ny fanazavan’Atoa Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Ainasoa. Ireo sakafo hohanina mantsy dia miteraka loto maro be isan-karazany ( toxine) indrindra fa ireny sakafo betsaka akora simika ireny, raha araka ny fanazavany. Ireo poizina ratsy ireo anefa dia miteraka loto sy arefesinana ratsy any amin'ireo taova toy ny aty sns...Rehefa mihabetsaka izany loto ratsy izany dia maloto ny rà ka tsy mikoriana tsara ary lasa miteraka ny aretin’ny tosi-dra. Marary ny vavony, misy olana eo amin'ny maso, miofakofaka ny hoditra, mibotsimbontsina kely ny hoditra ary mangihidihidy, tsy ampy ny ra, misy olana eo amin’ny tsinay, lasa voan’ny homamiadana ilay olona …Tsiahivina moa fa manana vokatra hahafahana manao io detox io izy ireo, fitsaboana mandritra ny herinandro ny iray tavoahangy.
Pati
Legende : Tokony hanao detox ny olon-drehetra hoy Atoa Mandimbison Rija !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT