Fahasalamana

Varo-maizina fanafody Olona 6 nidoboka am-ponja, fitahirizam-panafody iray nakatona


  • Alarobia 21 Aprily 2021

Natomboka omaly ireo hetsika fanaraha-maso notarihin’ny Minisiteran' ny Fahasalamam-bahoaka (MINSANP) ka niarahan’ny

 

 

 Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana (MICA) sy ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka (MSP) nisalahy, ho fanatanterahana ny toromariky ny Filoham-pirenena ny 18 aprily teo. Teny amin’ny faritra Ambohipo sy Ambolokandrina izay malaza tokoa amin’ny famarotana fanafody eny an-dalam-be no nanombohana izany fanaraha-maso izany. Ho an’ny MICA manokana dia manohana ny MINSANP eo amin’ny fanatanteraha ny fidinana ifotony mifanaraka tanteraka amin’ireo rijan-teny araka ny lalàna mifehy ny fiarovana ny mpanjifa sy ny fifaninanana tsy ara-drariny izay mitarika ny varotra tsy ara-dalàna, hoy io Minisitera io. Ny fanaraha-maso dia miompana manokana amin’ny fanamarinana ny fe-potoana ahafahana mampiasa na mihinana ny fanafody ary koa ny tahirim-panafody misy eny an-toerana izay mitarika ny tsy fisian’izy ireny eny amin’ny fivarotam-panafody ara-dalàna. Toerana fitobiam-panafody iray teny an-toerana voatery nogejaina mandritra ny fotoana hanaovana ny famotorana samihafa omaly. Mbola hitohy ary haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra mba handrindrana sy hamehezana ary indrindra hiarovana ny vahoaka ny amin’ny fanararaotana tsy ara-drariny maro samihafa ny fidinana sy ny fanaraha-maso, hoy fanamarihana. Mikasika ny fanaraha-maso ny fidim-panafody indray kosa izay tarihin’ny MINSANP, dia hiaraha-miasa amin’ireo rafitra tompon’andraikitra toy ny “Ordre National des Pharmaciens” sy ny “Autorité Nationale des Médicaments” izany.

OLONA 6 NIDOBOKA AM-PONJA

Tao amin’ny kaonty Facebook-ny manokana kosa no nilazan’ny Talen’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga omaly, fa olona 06 no naiditra am-ponja noho ny fivaratona fanafody tamin’ny facebook, fanodinana ireo fanafody maimaimpoana, naka vola amin’ny mpanao fitiliana. Olon-tsotra sy mpiasan’ny fahasalamana ireo. Araka ny fanamarihan’ny Filoha ny alahady teo, dia misy mitaky 50 000Ar ho sandan’ny taratasy fanamarinam-pahavitana fitiliana, misy manodina ny fanafody,… ka roahina ho tsy mpiasam-panjakana, tratry ny sazy henjana izay tratra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT