VANIM-POTOANAN’NY RIRININA

Mora miparitaka ny COVID….ilana fitandremana


  • Talata 16 Jolay 2024

Mora miparitaka ireo karazan’ aretina toy Covid, ny sery, ny gripa, ny areti-tenda, ny aretim-pivalanana….

rehefa anatina vanim-potoanan’ny mangatsiaka tahaka izao. Na izany aza anefa dia azo atao tsara ny misoroka azy ireo raha araka ny toro-hevitra nomen’ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Lohalaharana amin’ireny ny fampitomboina ny hery fiarovana amin’ny alalan’ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana toy ny legioma isan-karazany sy voankazo maroloko izay ahitana Vitamine (A sy C) ary Magnésium. Tokony ho rano mafana hatrany no hatao fisotro matetika ary vao maika tsara raha mahavita dite sakamalaho afangaro tantely sy voasary makirana kely. Mila manao fanatanjahantena sy manao ampy torimaso koa ny olona tsirairay avy.Ny fampiasana vatana mantsy dia fomba hahafahana mampiakatra ihany koa ny hery fiarovana. Dia an-tongotra mandritra ny 30 minitra isan'andro dia efa ampy. Manasa tanana matetika amin’ny rano sy savony. Farany izay tsy kely akory dia ny fanaovana aro vava-orona raha misy soritr’aretina toy ny sery, ny fanaovana akanjo mafana ary ny fanatonana tobim-pahasalamana raha misy tranga hafahafa.
Pati
Legende : Miasabe ny arovava orona amin’izao hisorohana ny viriosy mety hiparitaka !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT