Fahasalamana

Valanaretina pesta Mila mailo hatrany


  • Alatsinainy 09 Jolay 2018

Tonga nanome voninahitra ny fivoriana ny fanazavana ny valin’ny hetsika rehetra natao momba ny ady amin’ny pesta sy ny fanamafisana hatrany ny ady mbola atao amin’ny valanaretina, ny praiminisitra Ntsay Christian.

 

 

 Nampatsiahivina moa fa maro ny voka-dratsy nateraky ny fitomboan’ny valanaretina ary tsy tamin’ny sehatry ny fahasalamana ihany fa hatramina sehatra hafa, izay saika nampikatso ny fampandrosoana sy ny fiainana andavanandron’ny Malagasy mihitsy. Nidera ny ezaka rehetra vitan’ny sampana mpandrindra ny ady amin’ny pesta ny praiminisitra, izay nahafahana nanome lanja ny fitarihan’ny governemanta sy ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, ka nahatsapana ny fahombiazan’ny hetsika teny anivon’ny sehatra isan-tsokajiny. Nihatsara ny asa natao tamin’ny ady, izany dia tamin’ny alalan’ny fanomezana fanafody, kojakoja, ary ny fanofanana hanamafisana ny traikefa ho an’ireo tompon’andraikitra manokana eny ifotony, misahana izany.  Nisy ihany koa ny fanatevenana ireo ekipa mandrindra eo anivon’ny Faritra ipariahan’ny valanaretina, ho fanohanana ny sampandraharahan’ny fahasalamana. Araka izany dia nampirisika ny governemanta ny praiminisitra mba hanamafy ny fomba fandrindrana sy hanatsara ny fiaraha-miasa maro lafy. Ilaina, hoy izy, ny fisokafana bebe kokoa amin’ny fiaraha-miasa akaiky hitazomana hatrany ny ady amin’ny valanaretina, ka voakasik’izany ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny, araka ny traikefa ananan’izy ireo eo amin’ny fampandrosoana ny fiainam-bahoaka, mba hahatongavana amin’ny fampandrosoana ankapobeny.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT