Valanaretina miparitaka

“Aleo misoroka dieny mialoha!”


  • Talata 28 Novambra 2023

Mila ialana ny fieritreretana mahazatra fa serisery madinidinika ny valanaretina miparitaka ankehitriny,

hoy ny mpikaroka sady talen’ny toeram-pitsaboana, Fondation Chrétien Zaranaina Andoharanofotsy, Zaranaina Christian. Ny anay, hoy izy, izao avy hatrany dia mampihatra ny fomba fampiakarana hery fiarovana toy ny natao tamin’ny COVID. Ampiarahana ny fomba nentina nitsaboana COVID sy gripa. Aleo misoroka toy izay mitsabo. Aleo aza averina tsikelikely ny fanaovana arotava, ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony, ny elanelana 1 metatra, izany hoe, ireo fepetra madinidinika rehetra aleo tonga iverenana dieny izao satria ho avy hiditra eto Madagasikara koa izao ny mpizahatany. Isika rehefa aorian’io hisy ny fotoanan’ny rivodoza. Miparitaka be amin’iny fotoana iny ny tazo sy ny tariny. Aleo tonga dia misoroka dieny mialoha, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT