VALAN’ARETINA MANANONTANONA

Vonona hiara-hiasa amin’ny fanjakana ny mpitsabo natoraly


  • Zoma 09 Febroary 2024

Mbola vonona hiara-kiasa amin’ny Fitondram-panjakana hatrany

ho fiarovana ny aim-bahoaka ny mpitsabo natoraly manoloana ny valan’aretina mananontanona eto amintsika. Ho an’ny ivon-toerana Ainasoa etsy Namontana dia fantatra fa efa nandray anjara hatrany izy ireo tamin’ny fandalovan’ny valan’aretina COVID 19 teto amintsika izay nanavotana ain’olona maro ary mbola vonona ny hanome tanana raha sanatria ka tafiditra eo amintsika ny aretina Cholera. Anisan’ny antony nanokafan’izy ireo ny sampany eny Iavoloha izany raha araka ny fanazavan’Atoa Mandimbison Rija, tamin’ny mpanao gazety omaly. Nomarihiny moa fa na dia tapitra mampiakatra ny vidin-javatra ao aminy avokoa aza ny mpivarotra rehetra amin’izao dia miezaka mitsinjo ireo olona tsy salama tonga manatona azy hatrany ny ivon-toerana Ainasoa. Raha mbola tsy mampiakatra ny vidin’ny akora fototra ny eny ifotony hoy izy omaly dia tsy miova ny vidim-panafody sy ny saran’ny fitsaboan-tena ato aminay izay natoraly tsy misy fangarony avokoa. Notsiandriany anefa fa tsy misy ny fahagagana eo noho eo fa izay maharitra ihany no mahazo fanasitranana.
Pati
Legende : Atoa Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Ainasoa !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT