Fahasalamana

Valanaretina Coronavirus Azo araraotina hamadihana ny tantara


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Mihotakotaka izao tontolo izao, noho ny tahotra an’ilay valanaretina coronavirus. Na izany aza dia misy ihany ny lafitsaran-javatra azo sintonina.

 

 

Fotoana mihitsy mantsy izao hitadiavana ny very! Satria voatery mitoka-monina, na amin’ny ampahany monja aza, ny firenena maro manerana an’izao tontolo izao, dia voatery tsy sazoka mifantoka amin’izay zava-misy ao aminy. Ho antsika eto Madagasikara dia tena fotoana indrindra izao hampiroboroboana ny zava-misy eto an-toerana. Isan’ny voakasik’izany voalohany ny sehatry ny fizahantany, vokatry ny fanakatonana ny seranam-piaramanidina amin’ny fifamezivezena iraisam-pirenena, nanomboka ny alakamisy alina teo. Efa nisy moa ny dinika nifanaovan’ny minisitry ny fitaterana, Joël Randriamandranto, sy ireo mpandraharaha misehatra ao anatin’ny fizahan-tany, ka nitsirian’ny hevitra hampiroboroboana ny fizahan-tany anatiny. Izany dia heverina fa hanentsina ny fatiatonka aterak’izao fikatonana tsy fidiny amin’ny avy any ivelany izao. Misy ihany koa ireo orinasa hafa mahay manararaotra tsara ny zava-misy ankehitriny, toy ny orinasa iray mpamokatra savony vita malagasy. Mihazakazaka amin’ny fanaovana dokam-barotra amin’ny voka-tsoan’ny fampiasana an’ireo vokatra vokariny izy. Sady afaka manampy ny Malagasy hisoroka ny aretina izany no fanararaotra (opportunité) entina mampiroborobo ny orinasa malagasy ihany koa. Tsikaritra, ankoatra izay, ny orinasa miompana amin’ny finday, izay miezaka ihany koa mandoka ny fikirakirana vola amin’ny alalan’ny finday, antoka tsy hifindran’ny aretina amin’ny alalan’ny vola. Manana safidy isika, na hanaiky ho resin’ny valanaretina, na hamadika izany ho fanoitra hampivoatra an’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny zava-misy ao aminy sy ny fahaiza-manaony. Mamokatra “vita gasy”, manjifa ny “vita gasy”. Maninona tokoa moa isika no handany vola any amin` ny hafa kanefa afaka mamokatra kojakoja ilaina amin` ny andavanandro isika eto Madagasikara? Amin` izay, isika ihany dia afaka mampiodina ny indostria sy mampiroborobo ny toekarena.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT