Fahasalamana

Vaksiny sa CVO ihany Andrasana ny fanapahan-kevitry ny mpitondra


  • Alatsinainy 15 Martsa 2021

Maro ny karazana vaksiny hisorohana ny aretina Covid 19 efa ampiasain'ny firenena maro maneran-tany toy izay hita any Amerika,

 Azia, Eoropa, Afrika amin'izao fotoana izao. Isany ny Pfizer-BionTech, Moderna, AstraZeneca, Johnson&Johnson, sy ny Spoutnik V an’ny Rosiana, ary ireo vaksiny vokarin-dry zareo Sinoa, raha mijery ny maresaka iraisam-pirenena. Nahitana vokany azo tsapain-tanana ireo vaksiny ireo tany Israely, Angletera, Etazonia ary Rosia, raha ny voatatitra hatreto aloha. Mbola tsy misy kosa hatreto ny akom-baovao mahakasika ny fahatongavan’izay vakisinin’ity aretina ity izay eto Madagasikara, raha ny fanamariham-baovao voaray teo anivon’ny Institut Pasteur etsy Avaradoha hatramin’ny sabotsy teo. Hiditra amin’ny fanafarana ireo karazam-baksiny ireo rahateo ve anefa isika sa hionona amin’ny CVO ? Somary nanaitra ny maro ihany ny vaovao mikasika ny fivoahana manam-pahefana miisa 2 ho any am-pitan-dranomasina ny sabotsy teo ary isan’ny fanontaniana goavana nipetraka ny hoe tsy mahatoky io vokatra Malagasy nankalazaina tamin’ny fihibohana io sy ny hopitaly manara-penitra ve isika satria dia ireo manam-pahefana heverina ho tokony ho maodely amin’izany indray ity no toa mitady vonjy any am-pitan-dranomasina? Andrasana, araka izany, ny fanapahan-kevitry ny mpitondra na hionona amin’ny CVO na hanafatra izay vakisiny izay.

 

J. Mirija



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT