Fahasalamana

Vaksiny Polio Nilamina tamin’ny ankapobeny


  • Zoma 19 Janoary 2018

Nizotra tamim-pilaminana ny andro voalohany sy ny faharoa nanatanterahana ilay fanaovam-baksiny faobe iadiana amin’ny aretina lefakozatra manerana ny Nosy ho an’ireo ankizy latsaky ny dimy taona.

 Raha araka ny fanazavan’Atoa Ratsirarson Joséa, tale jeneralin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka dia tsy nahenoana olana  tamin’ity andiany faha-12 ity. Ny teny anivon’ny sekoly no tena nampanahy mafy azy ireo. Nandray tamim-pilaminana ny sekoly taorian’ny fandaminana natao tamin’ny ray aman-dreny. Ho an’ireo nanaiky nanaovana vaksiny ny zanany dia tonga nanatrika mihitsy izy ireo toy ny hita tetsy anivon’ny sekoly La Prime Anosibe omaly.  Saro-pady rehefa zavatra miditra any am-bava, hoy Razafinjatovo Mbolasoa, tompon’andraikitra iray eo anivon’io sekoly io. Noho izany tsy maintsy hakana hatrany ny hevitry ny ray aman-dreny. Ny 16 janoary teo raha tsiahivina no nahazo ny fampilazana avy amin’ny minisitera ny sekoly rehetra.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT