Fahasalamana

Vaksiny Johnson & Johnson Tonga omaly, tsindrona iray dia milamina


  • Alarobia 28 Jolay 2021

Tonga omaly talata 27 jolay teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenana Ivato ny vaksiny Johnson & Johnson izay tsindrona indray mandeha tsy ilana famerenana miisa 302 750 izay

 ao anatin’ny ezaka ataon’ny governemanta Amerikana hiadiana amin’ny Covid-19 maneran-tany. “Ny fifampizarana ireo vaksiny ireo dia sady hiaro ny vahoaka Malagasy amin’ny Covid-19 no ahafahana ihany koa mampihena ireo sakana amin’ny fanarenana ny toe-karena Malagasy” hoy ny Mpiandraiki-draharahan’ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara sy Kaomoro Rtoa Amy Hyatt teo am-pandraisana ireo vaksiny ireo. Nisolo ten any Fanjakana Malagasy kosa ny Minisitry ny raharaham-bahiny. Etazonia dia nampiseho ny fahavononany hiady amin’ny Covid-19 na ao amin’ny taniny na any amin’ny firenen-kafa. Ankoatra ny fanohanan’ny governemanta Amerikana an’i Madagasikara tamin’ny fahazoana vaksiny sy ny fanapariahana izany tamin’ny alalan’ny USAID Madagascar, dia mbola nanome fanampiana hiatrehana ny hamehana mitentina 2 500 000 dolara hanamafisana ny vahaolana hiatrehana ny Covid-19 i Etazonia, ary mitentina 5 000 000 dolara ny fandraisany anjara tamin’ny fandaharanasa Tosika Fameno izay nanomezana fanampiana ara-bola ireo fiankaviana marefo avy amin’ireo tanàn-dehibe tena voa mafy mba hananany sakafo ampy, hoy ny fampahatsiahivana avy amin’ny Amerikanina. Endrika iray ihany amin’ireo maro maneho ny maha mpirahalahy mianala antsika izany, hoy ny eo anivon’ny Masoivoho Amerikanina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT