Fahasalamana

Vaksiny iadiana amin’ny lefakozatra Mila tohizana hiarovana ny zaza, hoy ny minisitera


  • Sabotsy 09 Desambra 2017

Hifarana anio sabotsy 9 desambra manerana ny Nosy rehefa naharitra efatra andro ilay hetsika vaksiny faobe iadiana amin’ny aretina lefakozatra (Polio) andiany faha-11 karakarain’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ho an’ireo zaza latsaky ny dimy taona.

Zaza miisa 1.900.000, hoy Ratsirarson Josea, sekretera jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka no ezahina hahazo tombontsoa hiarovana azy ireo amin’ity aretina iray ity. Tokony hotohizana hatrany ny vaksiny na isaky ny enim-bolana aza no hanaovana azy. Miankina amin’ny fanaovana io vaksiny io hatrany mantsy no mampitombo ny hery fiarovana ao anatin’ilay zaza ka tsy misy ahiana intsony ny toe-pahasalamany na dia misy aza ireo ankizy manodidina azy voa. Tsy misy atahorana ny vaksiny satria tsy mbola nisy na dia olona iray aza tonga nitaraina sy nanatona ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka nilaza fa nararin’ny vaksiny na matin’izany ny menaky ny ainy. Tsy mitovy amin’ny vaksinina pesta izy io, hoy izy izay nomarihiny manokana fa tsy misy eto amintsika noho izany tsy tokony hatahoran’ny  ray aman-dreny. Nomarihiny manokana fa tokony ho amin’ny volana jona taona 2018 ho avy izao no hahazo ilay “certification” milaza sy manambara fa foana tanteraka eto amintsika ity aretina lefakozatra ity ka mandrapahatongan’izay dia mitohy isaky ny enim-bolana hatrany ny fanaovam-baksiny ireo ankizy latsaky ny enim-bolana. Ho ana dokotera iray  izay nanontaniana mikasika ity vaksiny ity dia nomarihiny fa tsara kokoa ny misoroka noho ny mitsabo ka tokony hatao vaksiny hatrany ny zaza rehetra. Arakaraka ny tsy hanaovana vaksiny ny zaza mantsy, hoy izy no manamora ny fidiran’ireo aretina ao aminy satria mbola marefo izy ka anisan’ireny sady tena  atahorana indrindra ny aretina lefakozatra.Nahemotra amin’ny volana janoary 2018 kosa ny fanaovana ny vaksiny iadiana amin’ny lefakozatra ho an’Antananarivo sy Toamasina noho ny fanentanana mbola tsy maintsy hamafisina satria maro loatra ny tsaho tamin’ireo faritra ireo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT