Fahasalamana

Vaksiny iadiana amin’ny Covid 19 Tsy maintsy atao ilay tsindrona “fatra faharoa”


  • Alakamisy 28 Oktobra 2021

Vao ny 2%-n’ny Malagasy mihoatra ny 18 taona no fantatra fa vita ilay vaksiny iadiana amin’ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika.

 Ho an’ilay vaksiny Johnson and Johnson dia miisa 181.307 ireo nahavita izany raha mitontaly 302.705 daozy ny fatra tonga teto amintsika. Ho an’ilay vaksiny astrazenica izay ilana ilay andiany faharoa indray dia miisa 197.000 ireo nahavita ny vaksiny andiany voalohany raha miisa 50.000 kosa ireo mbola andrasana ho avy hanao ilay andiany faharoa. Hifarana amin’ny 30 oktobra ho avy izao anefa ny fotoana tokony hanaovana ity andiany faharoa ity ka ho an’ireo tsy tonga manao izany dia toy ny tsy misy dikany ny ezaka efa nataony teny am-boalohany raha tsy vitany io, manentana mafy ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka mba ho avy hanatanteraka ilay « dose » faharoa ireo rehetra nahavita ny tsindrona voalohany. Raha atontaly araka izany dia miisa 325.000 ireo olona nahavita ny vaksiny iadiana amin’ny Covid 19 eto amintsika, salan’isa izay nambaran’ny teo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka fa mbola ambany dia ambany tokoa. Miisa 338 kosa ireo tranga sarotra hita nandritra ny fanaovam-baksiny andiany voalohany raha 39 tamin’ny andiany faharoa. Anisan’ireny ny fihetsehan’ny aretin-tratra toy ny sohika.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT