Fahasalamana

Vaksiny iadiana amin’ny aretina lefakozatra Hotanterahina manomboka ny 12 aogositra ny andiany faha-15


  • Zoma 09 Aogositra 2019

Na dia efa azon’i Madagasikara tamin’ny volana jona taona 2018 aza ny sata “Madagasikara, firenena afaka amin’ny aretina lefakozatra” dia mbola hitohy hatrany ny fanaovam-baksiny iadiana amin’ity aretina

 

 

 

iray ity hahafahana mampitombo ny hery fiarovana efa hananan’ny zaza. Hotanterahina manomboka ny 12 aogositra ho avy izao indray haharitra telo andro ny  FAV Polio andiany faha-15 karakarain’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Distrika 55 misandrahaka amina faritra folo no voakasik’izany toy ny Faritra Analamanga, Itasy, Vakinankaratra,  Melaky, Atsinanana, Alaotra Mangoro,  Atsimo Andrefana, DIANA ary SAVA. Tanjona ny hahafahana mamita vaksiny ireo zaza latsaky ny dimy taona  miisa 2.542.712 ao anatin’ny telo andro hanaovana ny hetsika. Mpiasan’ny fahasalamana miisa 1.695 no indray  hohetsehina mandritra izany miampy mpanentana ara-pahasalamana 32.830. Hampiavaka ity andiany faha-15 ity moa ny fisian’ny ekipa manokana hitety ireo sekoly, toeram-piantsonan’ny  fiarakodia ny tsena ary ny isan-tokantrano. Tsiahivina hatrany moa fa ny zaza iray tsy vita vaksiny iadiana amin’ny aretina lefakozatra dia mety hamindra ity aretina ity amin’ireo zaza hafa 200 manodidina azy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT