Fahasalamana

Vaksiny fanefitry ny kitrotro Mbola hitohy ny hetsika


  • Talata 22 Janoary 2019

Fahombiazana no azo tamin’ilay fanaovam-baksiny faobe fanefitry ny kitrotro notanterahina teto amin’ny Faritra Analamanga, hoy ny teo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.

 Ny 94 %-n’ireo zaza sivy volana ka hatramin’ny sivy taona mantsy no vita raha tsy nisy afa-tsy 22 % teo aloha. Afa-po ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mbola nitohy nanomboka omaly alatsinainy 21 janoary ny hetsika ho an’ireo tsy nahavita tamin’iny herinandro nivalona iny. Haharitra roa na telo andro indray izany ka ny tanjona, hoy ny médecin inspecteur Randrianarison  dia ny mba hahafahana mamongotra tanteraka ity karazan’aretina iray ity hatramin’ny fakany. Nomarihiny manokana fa mbola misy ihany ireo mararin’ny kitrotro tonga manatona tobim-pitsaboana ankehitriny, indrindra fa ny eto an-drenivohitra  saingy ireo tsy vita vaksiny no tena  betsaka.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT