Fahasalamana

Vaksiny fanefitry ny aretina kitrotro Hotanterahina ato ho ato ny andiany manaraka


  • Alatsinainy 11 Febroary 2019

Mbola betsaka ireo ankizy lasibatry ny aretina kitrotro amin’izao fotoana izao. Toraka izany koa ny olon-dehibe noho ny fihenan’ny hery fiarovana ao anatiny.

 Ho an’ny Faritra Itasy raha ny vaovao avy amin’ireo mponina any an-toerana dia mitety varavarana mihitsy ny aretina kitrotro ka ireo  ankizy madinika no tena mahita faisana amin’izany. Mba hahafahana manafoana tanteraka ity  aretina iray ity ary dia hanatontosa  fanaovam-baksiny faobe iadiana amin’ny aretina kitrotro ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ato ho ato. Distrika  miisa 15 hita fa faritra mena indray no hanatanterahana izany raha 15 isa teo aloha. Ankizy manodidina ny 2 tapitrisa raha kely indrindra no ezahina hahazo tombontsoa amin’izany ka ireo zaza mbola minono sivy volana hatramin’ny 9 taona ihany aloha no ezahina hisitraka izany. Anisan’ny hahazo tombontsoa betsaka amin’ity fanaovam-baksiny faobe iadiana amin’ny aretina kitrotro ity moa ny any amin’ny faritra avaratra sy atsinanan’ny Nosy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT