Omaly alahady 15 aogositra maraina no nigadona teny Ivato ny fiaramanidina mpitatitra entana an’ny Turkish Cargo nitondra ireo vaksiny fanefitry ny Covid 19 dia ny Astrazeneca izany;
miisa 200 000 ireto tonga ireto izay fanomezana avy amin’i Frantsa ao anatin’ilay tetikasa goavana Covax.Ireo efa nahavita ny tsindrona voalohany tamin’ny Covishield ny volana mey sy jona lasa teo no hanao ny tsindrona faharoa (2eme dose) amin’ny alalan’ity vaksiny tonga omaly ity.Rahampitso talata raha araka ny fantatra no hanomboka ny fanaovana izany tsindrona faharoa izany , ka mazava ho azy fa misesy araka ny andro sy daty nanaovana azy ilay izy .Raha ny tokony ho izy izany dia ireo nahavita ny tsindrona voalohany ny 10 mey no mitsindrona voalohany dia manaraka ny sisa, milamina dia misesy.Eny amin’ny CHUJRA no voalaza fa hanombohana izany araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana.Tsara ho marihana fa 197 001 ireo nanao ny vaksiny covishield (Astrazeneca) tsindrona voalohany teto Madagasikara.Tsy maintsy misoratra anarana eny amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka kosa ary manarka ny fandaminana ireo izay maniry ny hanao ilay vaksiny Johnson & Johnson raha ny toromariika hatreto aloha. Tazana nitsena ny vaksiny teny Ivato omaly ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny repoblika, ny minisitry ny fahasalamana, ny masoivohon’ny Unicef eto Madagasikara ary ny solontena avy amin’ny masoivoho Frantsay.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.