Fahasalamana

Vaksiny- “Chaine de froid” sy “séquenceur d’ADN” Tsy mbola tafapetraky ny Fanjakana hatramin’izao


  • Alarobia 21 Aprily 2021

Iray volana mahery izay no nisian’ilay taratasin’ny Filoha naka ny hevitry ny Akademiam-pirenena momba ny fitsaboana (ANAMEM)

 

 

 mikasika ny hidirantsika amin’ny vaksiny. Ny 16 martsa io taratasy io, ary andro vitsy taorian’io dia efa nisy valiny ny 18 martsa, ka nilazan’ny ANAMEM, fa ilaina ny vaksiny. Isan’ny fangatahana nataon’ny ANAMEM tamin’izany ny hametrahana « Séquenceur d’ADN » ahafahana mamantatra ireo karazana coronavirus eto amintsika, ka hitiliana ny 10% amin’ny vahoaka farafahakeliny. Teo ihany koa ny fangatahana ny hametrahana ny « Chaîne de froid » izay atokana hitahirizana ny vaksiny. Manaraka izany ny famantarana ny vaksiny mety amintsika. Iny nampahafantarina afak’omaly iny fa vaksiny 4 no heverina hampidirina eto dia ny Covishield, Pfizer, Sinopharm, ary ny Jonhson and Jonhson. Misy fepetra ny fitahirizina ny vaksiny, saingy tsy niomana amin’ny fandraisana izany I Madagasikara raha zohiana ny zava-misy satria mbola tsy tafapetraky ny Fanjakana na “séquenceur d’ADN na ny “Chaine de Froid” kanefa ny vaksiny Covishield izay an’ny AstraZeneca dia mila tahirizina amina maripana 2 hatramin’ny 8°C ary toy izany ihany koa ny Jonhson and Jonhson, ny an’ny Pfizer/Biontech dia mila maripana -80 hatramin’ny -70°C,… Tsy vonona amin’ny pitsopitsony ara-teknika momba izany ny Fanjakana amin’izao fotoana, kanefa efa iray volana mahery no niresahana an’io fa hanafatra vaksiny. Mbola hita taratra ny tsy faharesen-dahatra amin’ny vaksiny, fa teren’ny zava-misy, ka dia io mitarazoka fomba fiasa io. Karazan’ny manipy baolina any amin’ny sehatra tsy miankina, toy io fidirana an-tsehatry ny Fondation Akbaraly io, ankoatra ny antso avon’ny Minisitry ny fahasalamana miantso tolo-tànana amin’izay manana fahafahana hampiditra haingana ny vaksiny satria raha miandry ny Initiative Covax dia mety amin’ny volana jolay, izay ny Fanjakana no fositry ny fahatarana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT