Fahasalamana

Vaksiny BCG sy Polio Niato roa volana mahery


  • Alarobia 02 Febroary 2022

Tandidonin-doza ny fahasalamanan’ny zaza malagasy vao teraka manerana an’i Madagasikara satria efa niato nandritry ny roa volana mahery tamin’ny taon-dasa ny vaksiny fanefitry ny “tuberculose”

dia ny vaksiny BCG izay tsy nisy famatsiana intsony avy amin`ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) , raha ny fampitam-baovao voaray. Ny vaksiny polio izay iadina amin’ny lefakozatra dia tsy nahitana izany intsony amin’ireo tobim-pahasalamana miankina amin’ny fanjakana. Raha ny fantatra dia miaro betsaka ny ho avin’ireo zaza vao teraka hatramin’iraika ambin’ny folo volana ny fanaovana ireo karazana vakisiny roa ireo. Betsaka ireo zaza izay matin’ireo aretina miisa roa dia ny lefakozatra sy ny “tuberculose”. Hatrany amin’ny faritra hafa eto Madagasikara aza dia efa tsy manana ireo vaksiny roa ireo intsony amin’izao ireo CSB. Raha ho an’ny faritra Boeny manokana dia isan’ireo faritra tsy manana ny vakisiny BCG ary vaksinin’ny polio ihany koa izay efa manomboka tsy ampy ary tsy maharaka intsony amin’ireo tobim-pahasalaman-panjakana misy ao an-toerana. Lasa ataon’ny fanjakana sy ny minisiteran’ny fahasalaman-bahoaka tsizarizary ny fahasalaman’ireo zaza vao teraka manoloana ny tsy fisian’ireo vakisiny roa samihafa izay mitondra fiarovana betsaka eo amin’ny zaza vao teraka. Maro ny zaza izay efa matin’ny aretina lefakozatra io izay azo avy amin’ny loto etsy sy eroa ka ny fanaovam-bakisiny polio irery ihany no entina hampihena ny fahafatesan’ny zaza vao teraka. Andrasan’ny fanjakana sy ny minisitera ho maro indray ve izany ny zaza maty vao teraka vokatry ny tsy fisian’ireo vakisiny roa ireo vao hanafatra ny vaksiny BCG sy ny Polio, hoy hatrany ity fampitam-baovao ity ?
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT