VAKSINY AMPIASAINA ETO MADAGASIKARA

Mbola famatsiam-bola avy any ivelany ny 80%


  • Alatsinainy 05 Mey 2025

Mbola tsy mahaleo tena i Madagasikara eo amin’ny resaka vaksiny.

Mbola miankin-doha tanteraka amin’ny any ivelany isika. Ny 20% monja mantsy no vitan’ny fanjakana Malagasy raha ireo mpamatsy avy any ivelany no mameno su miantoka ny 80% toy ny GAVI….Raha tsiahivina anefa dia anisan’ny miantoka ny fahasalaman’ny mponina manerantany ny fanaovam-baksiny ka anisan’izany isika eto Madagasikara. Vao teraka tapa-bolana ny zaza dia efa hatao vaksiny. Mitohy hatrany izany mandrapahafenony 15 volana ankoatra ny vaksiny iadiana amin’ny COVID 19 ohatra, ny vaksiny ho enti-miady amin’ny aretina lefankozatra izay mbola mahazo vahana eto amintsika….Anisan’ny dinihina sy hitadiavam-bahaolana any Istambule Turquie ny mikasika izany amin’ny alalan’ireo solombavambahoaka ao anatin’ny voamieran’ny Fahasalamana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Hisy fiantraikany goavana amin’ny fahasalamam-bahoaka mantsy ny fahatapahan’ny famatsiana vaksiny raha sanatria ka manapa-kevitra ny tsy hamatsy intsony ireo mpamatsy vola avy any ivelany. Mbola maro amin’ireo distrika eto amintsika ihany koa no tsy manana toerana fitehirizam-baksiny ka tokony hojerena akaiky ihany koa.
Pati
Legende : Mbola miankina tanteraka amin’ny any ivelany isika amin’ny resaka vaksiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT