Fahasalamana

Vaksinin’ ny kitrotro sy fizarana vitamina A Zaza 4. 645 796 no ezahina hahazo tombontsoa


  • Talata 17 Mey 2022

Vaindohan-draharahan'ny Fitondram-panjakana ankehitriny araka ny velirano fahadimy teboka voalohany ny fampivoarana ny fahasalaman'ny Reny sy ny zaza manerana ny Nosy.

Notontosaina nanomboka omaly ka hatramin’ny 22 Mey ho avy izao ny hetsika faobe fanaovam-baksiny miaro amin'ny kitrotro ho an’ny zaza 9 ka hatramin’ny 59 volana izay hampiarahana amin'ny fizarana vitamina A ho an’ny zaza 6 ka hatramin’ny 59 volana. Ny tananan' i Toamasina, renivohitry ny faritra Atsinanana no nampiantrano ny fanombohana ofisialy ny hetsika, izay teo ambany fitarihan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, notronon'ireo olom-boafidy sy manam-pahefana maro ary ireo mpiara-miombon' antoka samihafa. Manamafy ny hery fiarovana ao amin’ny zaza ny famerenana ny fanaovana vaksiny sy fanomezana vitamina A azy ireo. Tanjona hotratrarina moa ny hamitana vaksiny ny 95%-n’ ny zaza latsaka ny 5 taona miisa 4. 355 433 manerana ny Nosy sy ny hanomezana vitamina A ireo zaza latsaka ny 5 taona miisa 4. 645 796. Ankoatra ny eny anivon'ny tobim-pahasalamana dia mpiasan'ny fahasalamana maro no midina ifotony manatona vahoaka manatanteraka izao hetsika ara-pahasalamana goavana izao. Anisan’ny hahafantarana ny zaza iray moa fa voan’ny kitrotro izy ny hafanana be avy aminy sy ny masony mena raha araka ny fanazavan’ny dokotera. Tsy mahazo mihinana menaka ny zaza mandritra izany no sady tsy mahazo misotro rano mangatsiaka ihany koa raha araka ny fanazavan’ny dokotera hatrany. Mahafaty ny aretina kitrotro, indrindra fa ny kitrotro maintsy raha tsy voatandrina.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT