VAKINANKARATRA

Tontosa ny androm-paritra ho an’ny fahsalamana


  • Talata 05 Aogositra 2025

Nandritry ny fankalazana ny androm-paritry ny fahasalamana teto Vakinankaratra ny

andron'ny Alakamisy 31 Jolay tao Ranomafana dia fanomezana tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana hoan'ny daholobe ,fitiliana ireo karazana aretina samihafa, fanaovana vaksiny, fisafoana hoan'ny vehivavy bevohoka ary famorana faobe nanerana ireo distrika miisa 7 sy fandidiana Ernie , fitiliana Diabeta niarahana tamin’ny AMADIA, fitiliana ny homamiadan’ny Nono sy ny vozon’ny tanonjaza niarahana tamin’ny Marie Stops. Notoloran’ny Unicef ny fampitaovana fandraisana antontanisam-baksiny ho an'ireo Distrika 07 manerana ny Faritra . Nitarika sy nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny lanonam-pankalazana ny Solombavam-bahoaka voafidy teto Antsirabe I sy Antsirabe II . Nanome voninahitra ny fotoana sy nisolontena ny Governora Vyvato Rakotovao kosa ny Tale miandraikitra ny fitantanan-draharaha ankapobeny avy eto amin'ny fiadidian'ny Faritra Romuald Ramarolahy. Nisongadina nandritry ny fandraisam-pitenenana nifandimbiasana fa zava-dehibe ny fahasalamana izay antoky ny fampandrosoana.Maro ireo asa vita aryro ezahina ho tohizana hatrany izany amin'ny alalan'ny fananganana sy fanatsarana ny foto-drafitrasa , ny fampitaovana ary ireo tolotra ara-pahasalamana. Isan’ny asa tena imasoan’ny faritra vakinakaratra ny fanatsarana ny fahasalaman’ny mponina. Amin’izao dia efa misokatra avokoa ireo hopitaly manara-penitra ary efa misy toeram-pitehirizana fanafody sy vakisiny. Niara niasa ho fanatanterahana io andron’ny fahasalamana tao amin’ny faritra vakinakaratra io moa ny fiadidian’ny faritra , ny OMS ary ny UNICEF.
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • ADY AMIN’NY
  • Zoma 27 Novambra 2026

VIH

  • Fikambanana
  • Alarobia 25 Novambra 2026

Paramedy

  • RAHAMEFY TOJO
  • Talata 24 Novambra 2026

Hiazo an’i Rosia hiatrika fandidiana fanindroany

  • Tontolon’ny
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

fahasalamana

  • Fitsaboana
  • Zoma 20 Novambra 2026

amin’ny « dyalise »

  • Faritra
  • Zoma 20 Novambra 2026

Amron ' i Mania

Hijery ny tohiny
FTT