Fahasalamana

Vakinankaratra Nametrahana « point de contrôle sanitaire » hiadiana amin’ny pesta


  • Zoma 20 Oktobra 2017

Napetraka tamin'ity herinadro ity ny toerana natao hanaraha-maso ireo fiara mpitatitra olona sy ireo mpandeha miditra sy mivoaka an’Antsirabe amin’izao fotoana na ny "Point de contrôle sanitaire ", izay tonga dia miasa avy hatrany.

 

 Tafiditra indrindra amin'ny ady atao amin'ny fiparitahan’ny valanaretina pesta izao fametrahana ny "Point de  Contrôle", ao Antsirabe  izao. Amin’ny lalam-pirenena moa no nametrahana ny fitiliana aloha ka toerana telo dia Tsivatrinikamo, Antsampanimahazo-Sahatsiho ary Mandaniresaka  no nametrahana. Isaky ny toerana fitiliana dia ahitana ireo tompon'andraikitra avy ao amin'ny fahasalamana  miaraka amin'ireo fanafody sy ny fitaovana hoentina miatrika  ny valan'aretina, ireo avy ao amin'ny Croix rouge Malagasy, ny avy ao amin'ny ATT ary ireo mpitandro ny filaminana. Araka ny fanazavana nentin’ny talem-paritry ny fahasalamana Vakinankaratra, Dr Rabenirina Mamitiana Pierre dia hijerena ireo olona sendra marary ao anaty fiara no tanjona ka handraisana fepetra raha toa ka misy ny ahiahiana, amin’ny fandraisana an-tanana voalohany. Misy avy hatrany ny fiara mpitatitra marary raha misy ny tranga atahorana. Tanjona ny tsy hiparitahan’ny aretina ao Antsirabe sy ny faritra hafa. Fantatra fa efa misy ihany koa ny fiaraha-miasa matotra eo amin'ny samy foibem-paritry ny fahasalamam-bahoaka any amin'ireo faritra manodidina antsika, izay efa nametraka toeram-pitiliana toy ity ihany koa toy ny any camp Robin sy ny hafa, ary nanamafy ireo tompon'andraikitra fa natao izao mba ho fitsinjovana antsika rehetra  ary koa ady atao mba tsy hiparitahan'ny aretina.


Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT