Fahasalamana

Vakinankaratra 36 ireo mitondra ny viriosin’ny SIDA


  • Sabotsy 23 Desambra 2017

Mampitsangam-bolo fa toa misoko mangina ny fiitaran’ny tsimokaretina SIDA ao Vakinankaratra raha ny antontanisa fantatra.

Raha olona miisa 7 mantsy no fantatra fa nitondra ny tsimokaretina ny taona 2008 dia tafakatra 40 ankehitriny saingy 36 ihany no manaraka ny fiahiana manokana azy ireo amin’izao fotoana. Fantatra io nandritra ny hetsika fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena hiadiana amin’ny Sida tao Vakinankaratra ny herinandro teo. Manoloana io dia hamafisina indray ny fanentanana sy fampahafantarana ireo rehetra mety heverina fa manaparitaka izany, toy ireo mpampanofa tena sy ireo mety ho mikasika zava-mahadomelina be loatra ary ireo « homosexuel », amin’ny alalan’ny fiarovana mialoha amin’ny filàna tsy maintsy ataony, raha ny nambaran’i Dr Rakotomanga Yves, tompon’andraikitra voalohany amin’ny ady amin’ny tsimokaretina VIH/Sida ao Vakinankaratra. Nisy ny fitiliana maimaimpoana sy ny fandefasana horonantsary ary ny fanaovan-tsonia ny takelaka lehibe iray ho fiaraha-mientana sy ho fiarahana amin’ny ady amin’ny Sida.

Caius R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT