Fahasalamana

UFE-ADFE Hanampy tosika ireo hopitaly


  • Alatsinainy 20 Aprily 2020

“Mitentina 30 000 euros ny vola voaangon` ireo fikambanana frantsay miisa roa, « Union des Français de l’Etranger » (UFE) sy « Français du Monde » (FDM-ADFE),

 

 

 

 

 

noho ny hetsika Mizara Partager » hoy Jean-Daniel Chaoui, conseiller consulaire sady solontenan` ny “Assemblée des Français à l’Etranger ». Miray hina ireo terantany frantsay monina eto amintsika ary hanohana ireo ezaka rehetra entina miady amin` ny aretina “coronavirus”. Tanjona dia mba hahafahana manolotra fitaovana ara-pahasalamana ho an` ireo hopitaly sy manamafy ihany koa ny fahaizan` ireo mpiasan` ny fahasalamana miady amin` ilay valanaretina. Ireo fitaovana dia ho lasan` ireo hopitaly mba hanohizany ny fanatsarana ny kalitaon` ny fizahana ara-pahasalamana eto Madagasikara. Ny Institut Pasteur sy ireo tompon'andraikitra ara-pahasalamana Frantsay no hijery manokana ireo fitaovana ireo izay tena hamaly ny filan` ny vahoaka Malagasy. Nanampy ireo fikambanana nanatanteraka ity hetsika ity ny masoivoho Frantsay, Christophe Bouchard, sy ny Chambre de Commerce Internationale France-Madagascar (CCIFM).

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT