TSY ZAKAN’NY OLONA NY HAFANANA BE

Mitombobe ireo marary manatona dokotera


  • Alarobia 20 Novambra 2024

Miaina anaty hafanana tanteraka isika eto an-drenivohitra ankehitriny.

Tsy andro tsy alina izany fa tsy hahazoana aina intsony, antony mampitombobe ny isan’ireo marary tonga manatona dokotera, efa ho tapa-bolana mahery izao. Raha araka ny fanadihadiana natao dia aretin’andoha arahin’ny kohoka sy sery no mahazo ny ankamaroan’ireo marary ka ireo ankizy madinika sy ireo efa nahazoazo taona no tena lasibatra. Tonga hatrany amin’ny vanin-taona manakotsako ….izany. Noho ny hafanana diso tafahoatra sy ny fahalotoan’ny rivotra iainana isan’andro no voalazan’ny mpitsabo fa antony mahatonga izany izay tombanana tsy hahitam-bahaolana raha tsy milatsaka mihitsy ny ranon’ orana. Ankoatra ny fanomezana fanafody fampiakarana hery fiarovana ny marary moa dia nambaran’ity mpitsabo ity fa tsara sy mety raha misotro rano betsaka ny tsirairay isan’andro. Toraka izany koa ny fanaovana akanjo manify sy ny fitondrana satroka na elo rehefa hivoaka ny trano arahin’ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana ahitana voankazo sy legioma. Farany izay tsy kely akory dia ny fanaovana aron-tava sy ny fanasan-tanana amin’ny savony matetika.
Pati
Legende : Ireo ankizy sy zokiolona no tena lasibatra ! SARY FANEHOANA

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT