Tsy nisy lavaka fivoahana

nandritry ny 12 taona i Tolotra


  • Talata 24 Febroary 2026

Miantso tolo-tanana hitsaboana azy ny reniny

Tsy nisy lavaka fivoahana i Tolotra, zazalahy 12 taona ankehitriny, hatramin’izy vao teraka, hoy ny fanazavàn’ny reniny, Elvinah Rafaraniaina. Teo amin’ny faha herintaona sy tapany izy dia niha nibontsina tsikelikely ny kibony, hoy ihany ity reniny ity. Tsy maharaka ny fivoahan’ny malotony ny lava-pitombenany, hoy ny dokotera, ary maloto vokatr’izany ihany koa ny kibony. Nihevitra izahay tany am-boalohany, hoy indray ny reniny, fa nataon’ny olona ity aretina ity. Taty aoriana kosa vao fantatra ny tena anton’ny aretiny. Manao antsoavo ireo malala-tanana hanampy azy mianaka, noho izay, ity renin’i tolotra ity. Ny nahatonga anay fikambanana Mii’zara hanampy azy mianaka kosa, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Fafah Rarivo, dia noho ny fahitàna rantina namana nihindrana angady tao amin’izy mianaka ireto tanaty tambazotran-tserasera izay nampahafantatra ny aretin’io zaza io. Nisy taorian’izay ny fihaonana teo amin’ny telo tonta nanaovana taratasy ho fahafahan’ny fikambanana manampy ilay zaza. Herinandro izay no nandraisan’ny fikambanana an-tanana ny fitsaboana an’i Tolotra. Araka ny fanazavàn’ny Dokotera dia antsoina hoe «mal formation» na tsy fahatomombanana ara-batana hatrany an-kibon-dreny no mahazo ilay zaza. Efa nisy fandidiana natao tamin’ny fitombenany tany aloha ahafahan’ny malotony mivoaka saingy tsy nahasitrana azy izany. Mitohy ny fitsaboana amin’izao fotoana izao tao anatin’izay herinandro nandraisan’ny fikambanana an-tanana azy izay ary mbola mety hisy ny fandidiana atao aminy hoy ny mpitsabo. Mankasitraka be dia be antsika efa nanolo-tanana ary mbola manao antsoavo ho antsika malagasy izay mbola afaka manampy fa mbola maro ny dingana tsy maintsy ho arahina amin’ny fitsaboana, hoy hatrany ny Mii’zara. Azo atao ny mifandray mivantana amin’ny pejy Facebook Mii’zara ho an’izay te hamantatra ny andinindininy amin’ny ilaina amin’ity fitsaboana ity sy ho an’ireo izay te hanao izay tolo-tanana izay ihany koa, hoy ihany ny fanampim-panazavana.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT