Tsy mifidy saranga ny SIDA

Nomena fiofanana ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena


  • Alakamisy 12 Desambra 2024

Tontosa ny talata teo tetsy amin’ny La Rotonde Besarety ny atrikasa fanaon’ny fikambanana Manampy mitondra

ny lohateny hoe «Coalition des valeurs». Maro, hoy ny filohan’ny fikambanana, Fara Ratsisetraina, no efa nisitraka ny fiofanana tanatin’izany tanatin’ny taona maro, toy ny ankizy, tanora, lehibe, mpampianatra, mpandraharaha, fikambanana politika, mpampiofana, tsy mifidy. 300 isa teo, hoy izy, angamba. Natao hanampiana ny lalana diavin’ireo tanora izany satria anatin’ny atao hoe «Clarification des valeurs» dia misy koa ny atao hoe fampianarana eo amin’ny zon’ny tsirairay mikasika ny atao hoe fananahana. Io ilay hoe «SDSR». Miakatra be tsinona izao ny tahan’ny olona voan’ny SIDA eto Madagasikara. Tokony hampahafantarina ny olompirenena tsirairay isan’ambaratonga, tsy an-kanavaka, noho izany, hoe inona no hisorohana izany sy fotokevitra sy zavatra entintsika hiady amin’izany fiakaran’ny tahan’ny aretina SIDA izany? Ny atolotra anatin’ny atrikasa izany dia izay ho azon’ireo mpiantsehatra mandray ny fiofanana ho entina any amin’ny fiarahamonina misy azy avy hanentanana ny fiarahamonina, indrindra, ny tanora mikasika ny fitandremana tena ilaina sy tokony atao mba hisorohana ity areti-mandoza ity. Eo izany ny fitandremana amin’ny fiarahana sy ny fifandraisana amin’ny olona akaiky anao. Fitandremana amin’ny firaisana ara-nofo. Tanjona, mazava ho azy, ny hanena ilay tahan’ny olona voan’ny SIDA satria betsaka koa ny olona tsy mahalala ilay fisorohana tokony atao. Tsy ny resaka firaisana ara-nofo irery tsinona akory no ho entina hisorohana fa eo koa ny fomba maro samihafa entina miaro na amin’ny vohoka tsy iriana io na ny vohoka mialoha be. Ao anatin’ny praograman’ilay atrikasa daholo izany. Isany ny hoe ahoana ny mikasika ny fampiasana fitaovana? Iza no afaka manatsahatra vohoka tsy niriana? Misy tranga manokana isan-karazany tokony jerena eny amin’ny fiarahamonina eny. Ny fianakafiamben’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena moa izany no nisitraka izany fiofanana izany teto. Misy tanora ao, misy mpampiofana, lehibena sampan-draharaha, mpitantana, tanora nahavita fianarana, izany hoe tsy mifidy ilay fampiofanana satria tsy mifidy saranga ny SIDA, hoy hatrany ny fanazavana nomen’ity fikambanana ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT