Mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina tanteraka isika ankehitriny.
Mahazo vahana hatrany ireo karazan’aretina toy ny gripa mahery sy ny aretin’ny taovam-pisefoana. Maro ireo olona mitaraina eny anivon’ny fiaraha-monina eny vokatr’izany. Ny mahagaga anefa dia mihavitsy ireo manatona tobim-pitsaboana, indrindra tamin’ity volana Aogositra ity raha araka ny fanazavan’ny dokotera Rakotonoely Domoina. Noho ny fidangan’ny vidim-piainana no nambarany fa antony mahatonga izany raha eo ihany koa ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe sy ny famadihan-drazana izay tsy maintsy nanangonam-bola betsaka. Tsy manana fahafahana hitsabo tena intsony ny olona vokatr’izany na dia marary aza hany ka manao dokotera tenany. Ho an’ireo marary nefa mba mahazo fitsaboana maimaim-poana hoy izy dia mivarotra ny fanafody havadika ho fotsim-bary indray sitrany ahay 3 kapoaka harotsaka hohanina…Miantso ny rehetra araka izany ny tenany mba hahay hitsinjo ny vodiandro merika ihany. Na dia manangom-bola mafy tamin’ny famadihan-drazana…aza mantsy hoy izy dia tokony hisy ihany ny volakely hapetraka hitsaboan-tena raha sanatria tojo tsy fahasalamana. Ny fahasalamana mantsy no voalohan-karena. Ho an’ireo tsy mba manana fiahiana ara-pahasalamana indray dia nambarany fa efa misy ireo karazana fikambanana miasa eny anivon’ny kaominina sy Fokontany amin’izao, handoavana vola tsy dia betsaka isam-bolana nefa hahafahana mitsabo tena tsara rehefa tojo tsy fahasalamana.
Pati
Legende : Ny dokotera Rakotonoely Domoina !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.