Tsy mitsaha-mitombo ireo matin’ny fahapoizinana ara-tsakafo tao Ambositra.
Tafakatra 17 izao ny isan’ireo namoy ny ainy vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo na “intoxication alimentaire”. Efatra mianadahy no nodimandry omaly 30 jona: telo tamin’ireo no notsaboina tao Antsirabe, ary ny iray kosa tao amin’ny HJRA. Tsy nandalo ny CHRR Volafotsy ilay farany, fa nody ny alin’ny 23 jona, taorian’ny nandraisany anjara tamin’ilay kaonferansa voalohany tany Ambositra. Raha hiverenana ny zava-nitranga, dia 24 ireo olona lasibatra vokatry ny fahapoizinana tamin’ilay fety an-tokantrano, izay naiditra tao amin’ny CHRR Volafotsy. Midika izany fa mbola misy eny an-dalam-pitsaboana amin’izao fotoana izao. Tsara moa ny manamarika, fa isan’ny namoy ny ainy avokoa ireo fianankaviana kely 4 mianaka nisy ny maty voalohany. Ilay zazalahikely natao kaominio sy ny Ray aman-dReniny no nodimandry, ary nalevina ny herinandro teo, ary nodimandry ny alahady teo ihany koa ilay tovovavy iray ankohonan’izy ireo. Andaniny, naneho ny ahiahiny sy ny hatezerany tamin’ny antso mivantana tao amin’ny fandaharana ZIM amin’ny Radio Fast One omaly ny mponin’Ambositra, nangataka ny hamoahana haingana ny vokatra ofisialy mikasika ilay sakafo voalaza fa nisy poizina, indrindra ny valin’ny fandalinana natao tamin’ny santionany nalefa any ivelany. Nitaraina ihany koa ireo mpivarotra sakafo masaka fa tsy misy fidiram-bola intsony taorian’ity tranga nahavaky fo ity, satria very fitokisana tanteraka ny mpanjifa. Taorian’ny zava-doza nitranga rahateo, saika nanafoana ny fifanarahana mikasika ny resaka fikarakarana sakafo avokoa ny olona, tao anatin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena. Hatreto, tsy tena mbola misy tatitra sy vokatra mazava mikasika ny singa sy ny poizina tena namono, na ny teto Antananarivo na ny tao Ambositra na ny tany amin’ny toeran-kafa. Lasa mitety faritra ny distrika ny fahapoizinana, izay tsy fantatra mazava ny singa sy akora, tsy hita izay tena fandraisana andraikitry ny Fanjakana,… Tsy misy faritany tsy voakasika ankehitriny satria dia efa nisy trangana fahapoizinana ihany koa hatrany Antalaha izay resaka « mayonnaise » raha ny tombatombana vonjimaika. Olona 4 no voatery naiditra hopitaly. Miitatra sy tsy voafehy ny loza, tsy voaaro ny ain’ny Malagasy,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.