Fahasalamana

Tsy fahalavorarian’ny fampinonoan-dreny


  • Alarobia 18 Novambra 2020

Mitarika tsy fanjariantsakafo mitarazoka

 

 

 

 Enim-bolana izao i Sarobidy, milanja 10 kilao sy sasany. Araka ny nambaran’i Aina, reniny, dia tsy nomena afa-tsy nonon-dreny izy hatreto, ary antony maha-bolangina tsara azy izany. Iray amin’ireo reny malagasy nanaraka an’io fepetra amin’ny fampinonoana io i Aina. Ny antsasaky ny reny malagasy, araka ny antontan’isa MICS 2018, no manome nono tsy misy fangarony ny zaza hatreo amin’ny faha-enina volany. Voalazan’io fanadihadiana io hatrany fa ny zaza 4 amin’ny 10, eo anelanelan’ny 6 ka hatramin’ny 59 volana, dia tratran’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka avokoa eto amintsika, vokatry ny tsy fahatomombanan’ny sakafony, nandritra ny 1.000 andro voalohany niainany, na noho ny tsy fahalavorarian’ny fampinonoana azy. Nisy, noho izany, fampianarana sy fanentanana momba ny fampinonoan-dreny, natao teny amin’ny CSB II Ampasanimalo, omaly. Nampahafantarina, nandritra izany, ireo fihetsika rehetra tokony atao mialoha, mandritra ary aorian’ny fampinonoana. Nampahatsiahivina ihany koa ireo tombontsoa rehetra azo avy amin’ny fampinonoana, na ho an’ny reny, na ho an’ny zanany, araka ny nampitain’ny Dr Ramahefasoa Voahangy Anita, mitantana ity tobim-pitsaboana fototra ity. Manamarika ny herinandro ho an’ny fampinonoan-dreny moa isika eto Madagasikara, nanomboka ny 16 novambra teo ary tsy hifarana izany raha tsy amin’ny 21 novambra izao.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT