Tsiroanomandidy Olona 8 no notiliana ny VIH

SIDA


  • Alatsinainy 20 Jona 2022

Nifarana omaly alahady rehefa naharitra 3 andro ny varavarana misokatra sy fitsaboana maimaimpoana notanterahina tao amin'ny hopitalim-paritra Bongolava ao Tsiroanomandidy.

Hetsika maro no hita nandritra izany izay nifanindran-dalana tamin'ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny mpanome rà. An-jatony ireo olona tonga nitsidika sy nisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana ireo. Nahatratra 175 isa ohatra ireo olona nanala nify, 156 ireo nijery maso, 186 ireo nanao fizaham-pahasalamana ankapobeny, 102 no nanao fitarafana na échographie, 09 no nanao "radiographie", 15 nanao fitiliana raboka raha miisa 08 ireo nanao fitiliana VIH SIDA manahy ny amin’ny fitondran-tenany manoloana ny fananana sakaiza maro na koa manana sakaiza miaraka amin’ny olona maro. Saika tanora avokoa ireto farany, matahotra ny Nahatratra 53 kosa ireo zaza natao hasoavana, raha 13 ireo nojerena manokana noho ny fananany ilay tongotra "pieds bots". Marihina moa fa betsaka amin’ireo mponina any amin’ny Faritra Bongolava no tsy afaka misitraka tolotra ara-pahasalamana milamina sy tsara tahaka izao.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT