Fahasalamana

Tsindrona hitsaboana ny Covid-19 Saropady ny andrana amin’ny vatan’olombelona


  • Talata 05 Mey 2020

Handeha ny andrana ara-pitsaboana na “essai clinique” amina “injection” na tsindrona fampidirana ranom-panafody amin’ny vatan’olombelona eto Madagasikara. Amin’ity herinandro ity no hanaovana izany amina marary vaovao mitondra ny covid-19.

 

 

 

 Efa adihevitra tsy nifankahitana ny raharaha covid organics, izay novoizina tany am-boalohany fa sady fisorohana no fitsaboana. Nambara fa fisorohana fotsiny, avy eo niverina ho sady fisorohana no fitsaboana indray. Ny Filoham-pirenena Malagasy no nilaza fa “tsy maintsy misotro” ny zaza Malagasy hiverina an-tsekoly. Ny lalàmpanorenena ao amin’ny andininy faha-8 fa “voarara ny manery olona iray hanaovana andrana ara-pitsaboana na ara-tsiansa, raha tsy nahazoana ny fanekeny malalaka”. Efa avy nisotro ny olona vao mandeha ny fanazavana samihafa fa tsy mety amin’ny olona bevohoka, tsy mety amin’ny olona ambony tosi-drà, tsy mety amin’ny olona avy nihinana fanafody hafa na tokony hanantona mpitsabo vao tokony hisotro,... Efa misy fiantraikany vao hoe hapetraka sy havoaka ny fepetra na ny “notice” mikasika ilay tambavy. Izany ve tsy filalaovana aim-bahoaka? Na inona na inona ambara dia fahadisoana goavana izany. Saropady ny andrana ara-pahasalamana ka tena ilàna fangaraharana, ary marina fa manana ny fahefany ny Filoha fa tsy mpanapa-kevitra amin’ny toeran’ny olombelona iray amina zavatra goavana mety hiantraika amin’ny ainy, toy ilay hoe tsy maintsy misotro CVO natao tany aloha. Tsy ny Fanjakana no tompon’ny aim-bahoaka. Misy dingana arahina ihany koa ny andrana, toy ny fanombohana azy amin’ny voalavo,…

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT