Fahasalamana

Tsiafajavona Ankaratra Olona 600 nahazo rano fisotro madio


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2017

Nahazo paompin-drano fisotro madio ireo mponina ao amin’ny fokontany sy kaominina ambanivohitra Tsiafajavona Ankaratra.

 

 Ny faran’ny herinandro  teo no nanoloran’ny vondrona Star ny fotodrafitrasa ho an’ireo mponina any an-toerana tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny Rtoa Anna Rabary. 23 km miala ao an-tampon-tanànan’Ambatolampy no misy an’i Tsiafajavona. Azo lazaina ho tsy dia lavitra ny renivohitra ihany no misy azy  saingy mbola betsaka ireo karazana fotodrafitrasa tsy ananany. Anisan’ny antony nanosika ny vondrona Star hanampy ny mponina ao amin’ny fokontany Anosiarivo, Anteza, Ankirihitra ary Ambondrona izany izay samy nahazo paompin-drano fisotro madio avokoa. Misy orinasan’ny vondrona Star rahateo any Ambatolampy. Olona manodidina ny 600 no mahazo tombontsoa mivantana amin’izany. Tanjon’ny mpanome moa ny hahafahana manatsara ny fiainan’ny mponina amin’ny andavanandro. Tsiahivina  fa vao tamin’ny volana janoary lasa teo no nanolotra paompin-drano ho an’ireo mponina ao amin’ny fokontany Tsangambaton’ny Ntaolo ity vondrona iray ity.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT